1 Thessalonians 2

1Fa ny tenanareo dia mahalala, ry rahalahy, fa ny fahatongavanay teto aminareo dia tsy foana. 2Fantatrareo fa teo aloha dia nijaly ary nalaim-baraka tany Filipy izahay. Izahay dia sahy tao amin’Andriamanitray hilaza taminareo ny filazantsaran’Andriamanitra tao anatin’ny fanoherana lehibe.

3Satria ny fananaranay dia tsy avy tamin’ny fahadisoana, na avy tamin’ny fahalotoana, na avy tamin’ny fitaka. 4Fa kosa, araka ny nankatoavan’Andriamanitra anay mba hatokisana amin’ny filazantsara, noho izany dia miteny izahay. Miteny izahay, tsy hampifaly ny olona, fa hampifaly an’Andriamanitra. Izy ilay mahalala ny fonay.

5Satria tsy dia nampiasa na oviana na oviana ireo teny fandokafana izahay, araka ny fantatrareo, na koa ho fialan-tsiny amin’ny fitsiriritana, satria Andriamanitra no vavolombelonay. 6Na koa nitady ny voninahitra avy amin’ny olona izahay, na koa avy aminareo na avy amin’ireo hafa. Izahay dia afaka nitaky ireo tombotsoa tahaka ireo apostolin’i Kristy.

7Fa kosa, izahay dia tsotra teo aminareo toy ny reny mankahery ny zanany naterany. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny hafa sasany dia mivaky toy izao: “Fa kosa, izahay dia toy ny zazakely teo aminareo, rehefa mankahery ny zanany naterany ny reniny.”] 8Dia toy izany no nanananay fitiavana ho anareo. Faly izahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an’Andriamanitra ihany, fa ny fiainanay manokana ihany koa. Satria ianareo dia lasa malalanay tokoa. 9Satria tsaroanareo, ry rahalahy, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman’alina no niasanay mba tsy ahafahanay mampitondra mavesatra ny iray aminareo. Nandritra izany fotoana izany, dia nitory ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo izahay.

10Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra ihany koa, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsiny ny fitondran-tenanay teo aminareo izay mino. 11Toy izany ihany koa dia fantatrareo hoe toy ny ahoana no nataonay taminareo tsirairay toy ny ataon’ny ray amin’ny zanany naterany, 12niangavy sy nankahery ary nandrisika anareo izahay mba handeha amin’ny fomba izay mendrika an’Andriamanitra, izay miantso anareo ho ao amin’ny fanjakany sy ny voninahiny manokana.

13Fa izany antony izany no isaoranay ihany koa an’Andriamanitra mandrakariva. Fa ianareo rehefa nandray avy taminay ny hafatr’Andriamanitra izay renareo, dia noraisinareo izany tsy ho toy ny tenin’olona. Fa kosa, noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra. Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino.

14Satria ianareo, ry rahalahy, dia lasa tahaka ireo fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay amin’i Jesosy Kristy. Fa ianareo ihany koa dia nijaly tamin’ireo zavatra ireo ihany noho ny nataon’ireo mpiray tanindrazana aminareo, sahala ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy. 15Ireo Jiosy no namono na an’i Jesosy Kristy na ireo mpaminany. Ireo Jiosy no nandroaka anay. Tsy nankasitraka an’Andriamanitra izy ireo. Fa kosa, izy ireo dia fahavalon’ny olona rehetra. 16Izy ireo dia nandrara anay tsy hiteny amin’ireo Jentilisa mba tsy hamonjena azy ireny. Vokatr’izany dia mameno ny fahotan’ny tenany mandrakariva izy ireo. Ny fahatezerana dia tsy maintsy tonga eo amin’izy ireo amin’ny farany.

17Tafasaraka taminareo izahay, ry rahalahy, nandritry ny fotoana fohy, tamin’ny fanatrehana fa tsy tamin’ny fo. Tena nazoto fatratra izahay, naniry mafy, ny hahita ny tavanareo. 18Satria naniry ny ho any aminareo izahay, izaho, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anay i Satana. 19Fa inona moa ny fanantenanay ny ho avy, na fifaliana, na satro-boninahitry ny fandresena eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany? Moa tsy ianareo toy ireo sasany hafa koa ve? Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.

20

Copyright information for PltULB